FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY MASOIVOHON’I CHINE MIASA SY MONINA ETO MADAGASIKARA.

Tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy an’ Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena Ramatoa GUO Xiaomei, Masoivohon’i Chine eto Madagasikara ny 26 oktobra 2021 tao amin’ny biraony teto Ambohijatovo .

Niompana tamin’ny fandinihana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, Chine sy Madagasikara amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny fihaonana.

Noresahana nandritra izany koa ny fanomanana ny fifanaraham-piara-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny lafiny fanatanjahantena.

Ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy hoy Andriamatoa Minisitra no anisany akaiky indrindra ary eo ihany koa ny tetikasa handefasana atleta sy teknisianina malagasy hiofana any Chine ho fanomanana ireo lalao iraisam-pirenena lehibe handraisantsika anjara.

Anisany ventin-dresaka ihany koa ny fanavaozana sy fanamboarana foto-drafitrasa toy ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina eo Mahamasina.

Naneho ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa ny Ambasadaoro raha nandray fitenenana ary nilaza fa afapo tanteraka tamin’ny fiaraha-miasa misy teo amin’ny firenena roa tonta amin’ny lafiny fanatanjahantena izay tena nitondra vokatra tsara ary afaka ny manatsara hatrany ho fanatanterahana ireo tetik’asa rehetra nokasaina hatao izay voatery naato noho ny fisian’ny Covid-19. Tetikasa niompana indrindra tamin’ny fametrahana ivon-toerana fanaovana fanatanjahantena ho an’ny rehetra eny amin’ny zaridaina natao ho an’ny rehetra, ny fanomezana materialy ara-panatanjahantena, ny fanofanana mahakasika ny fitantanana ny foto-drafitrasa ara-panatanjahantena, sns….

Naneho ny fisaorana ho an’ ny Ambasadaoro sy ny Repoblika Sinoa amin’ny fiaraha-miasa ny Minisitra.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...