Anio 31 Aogositra 2021 no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny ivon-toerana I-TAFA etsy Ambohijatovo ambony.
Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ramatoa Juliana RATOVOSON.
Ity ivon-toerana ity dia ahitana fitaovana toy ny: fitaovana informatika, ny zaitra, ny asa tanana toy ny tenona, ny fitaovana ao an-dakozia ahafahana mahandro; ireo fitaovana ireo dia afaka hindramin’ireo tanora misehatra amin’ny fandraharahana na koa azo faritana amin’ny hoe « outillothèque ».
Ahitana efitrano afaka hivorian’ny tanora ihany koa ny toerana. Noho izany dia misokatra ho an’ny tanora rehetra ny I-TAFA.
Ny fametrahana ny I-TAFA dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa TANOMAFY izay tohanan’ny Peace buildings Funds (PBF).







