FIHAONAN’NY MINISITRY NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA SY NY TOMPON’ANDRAIKITRA EO ANIVON’NY INSEP PARIS

Ny faha 27 Novembra 2021, no nihaonan’Atoa Minisitra MAMOD’Ali Hawel tamin’Atoa Babak Amir-Tahmasseb, Tale misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny INSEP (Institut National du Sport de l’Expertise et de la Performance), izay nisolo tena ny Tale Jeneraly izay tsy teo an-toerana.

Novoizin’Andriamatoa Minisitra tamin’izany fa ny Velirano faha 13 momba ny Fanatanjahantena dia arahina asa hafa ankoatra ny foto-drafitrasa izay efa atao manerana ny nosy sy ny fanampiana ny mpanao fanatanjahantena.

Anisan’izany ny fampiofanana isan-karazany na ho an’ny mpitantatana izany na dokotera ara-panatanjahantena ary koa hoan’ ny mpanao fanatanjahantena. Eo amin’izay lafiny izay ihany no hisian’ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny INSEP amin’ny alalan’ny Fitaleavana Jeneralin’ny Fanatanjahantena.

Hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampiofanana mpampiofana (formation des formateurs) mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny ny fahalalana ; hisy ihany koa fampiofanana amin’ny lafiny « Médecine du sports » izay tena ilain’ny fanatanjahantena tokoa ; ary ny fampiofanana ireo mpiasam-panjakana ambony mba hisitraka ny fahaizana amin’ny lafiny fikirakirana ny mahakasika ny tontolon’ny fanatanjahantena amin’ny sehatra rehetra ary anisan’izany ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo sampana hafa amin’ny alalan’ny CREPS (Centre de Ressources, d’Expertise et de Performance Sportives).

Natao izany ho fanamafisana ny fahaiza-manao, mba hananana traikefa amin’ny fitantanana tsara kokoa ho fanomanana ireo lalao iraisam-pirenena isankarazany izay handraisan’i Madagasikara anjara na eto an-toerana na any ivelany.

Raha namarana ny fandraisam-pitenenany Atoa Minisitra dia nanamafy ny fahavononan’ny Ministera amin’ny fiaraha-miasa rehetra izay mitondra makany amin’ny vokatra tsara hatrany na eo amin’ny lafiny fitantanana izany, na eo amin’ny lafiny « performances « ny mpanao fanatanjahantena, ary farany amin’ny lafiny fitsaboana ara-panatanjahantena.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...