| Misy ny fihaonan’ireo Solombavam-bahoakan’i Madagasikara amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay tarihin’ny Praiminisitra, Andriamatoa Christian NTSAY nanomboka omaly 02 Desambra 2021 sy ny 03 Desambra 2021.
Mandritra izany roa andron’ ny fihaonana izany no hamaliana ireo fanontaniana mahakasika ny tatitra momba ny asa vita sy nampanantenaina ary koa ireo hetahetan’ny vahoaka, indrindra ny mahakasika ny tanora isam-paritra. Miatrika izany avokoa ireo mpikambana rehetra mandrafitra ny Governemanta ary anisan’izany ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora, Ramatoa Juliana RATOVOSON.
|
Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao
FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...












