
Efa tonga soa amantsara any Abijan (renivohitr’i Côte d’ivoire) avokoa ireo mpilalao Barea izay voaantso amin’izao andro fahatelo hiadina ny tapakila ahafahana handray anjara amin’ny CAN izao.
Araka ny fizaham-pahasalamana natao dia i Abel Anicet no tsy afaka nihazo ireo namany nohon’ny valin’ny fitiliana natao ka nahita fa mitondra ny tsimok’aretina Covid-19 izy.
<--more p!!>Na dia izany aza dia efa vonona tanteraka ny Barea ary nametraka paik’ady vaovao hiatrehanana an’ity lalao ity ny mpanazatra Nicolas Dupuis.
Tsara ho fantatra ihany koa fa naroso amin’ny 04 Ora tolak’andro ny lalao raha tokony ho tamin’ny 07 Ora hariva
Alefa Barea