FIHAONAN’NY BAREA BEACH SOCCER TAMIN’NY FILOHAM-PIRENENA

Nandritra ny fandalovan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao Mahajanga, dia nandray ireo mpilalao baolina kitra izay mandrafitra ny ekipam-pirenena Beach Soccer ny tenany

Tamin’ny fandraisam-pitenenana izay nataony no niarahabany ireto mpilalao izay nitondra avo ny voninahim-pirenena.

Raha tsiahivina dia nandresy an’i Seychelles i Madagasikara tamin’ny lalao mandroso sy miverina.

Fandresena roa sosona izay nitondra an’i Madagasikara hiatrika ny fifaninanana CAN Beach Soccer izay hatao ny 21 hatramin’ny 29 oktobra 2022, any Mozambika.

Noho izany dia hanohana ny ekipam-pirenena Barea Beach Soccer ny Filoham-pirenena manokana sy ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fanomezana tosika isam-bolana mitetina 500.000 Ariary ny volana Aogositra hatramin’ny Octobra 2022 hiaingana.

Hisy ihany koa ny fanohanana amin’ny fampivondronana ary fandraisana anjara avy amin’ny Fanjakana amin’ny fandehanana miatrika ny lalao.

Hojerena ihany koa ny toerana hahafahana mametraka foto-drafitrasa ho an’ny Beach Soccer.

Nanolotra rafraîchissement 200.000 Ar ho an’ny mpilalao tsirairay sy ny mpitantana koa ny tenany.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...