Fihaonan’ireo iraka avy amin’ny Ministera sy ireo tanora mpitarika avy ao amin’ny distrikan’Ifanadiana

Nihaona tamin’ireo tanora mpitarika ato amin’ny Distrikan’i Ifanadiana ireo iraka avy amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Fotoana izay nahafahana namantatra ny olana iainan’izy ireo na eo amin’ny lafiny fitarihana na eo amin’ny lafiny arak’asa.Nandroso vahaolana ny minisitera amin’ny famelabelarana ireo paikady amin’ny fampiharana ny veliranon’ny tanora,anisan’izany fandaharan’asa Pôle emploi jeune, ny Youthconnekt sy ny maro hafa.Nohararaotina nandritr’ity fihaonana ity ihany koa ny fanomezana toro-lalana ho azy ireo,sy ny fampitàna ireo hafatra avy tamin’ny Minisitry ny tanora sy fanatanjahantena,Atoa TINOKA Roberto.