FIHAONANA NIARAKA TAMIN’IREO FIKAMBANANA TANORA MANERANA NY NOSY

Androany dia nisy ny fivoriana izay nihaonan-dRamatoa Minisitra Lefitra misahana ny Tanora, Juliana RATOVOSON, tamin’ireo solontenan’ny fikambanan’ny Tanora manerana ny nosy.
Nandritra izany no nanomezany ireo toromarika samihafa izay mahakasika ny fiaraha-miasa amin’ireo Fitaleavam-paritra sy ireofikambanana tanora isam-paritra ary koa ny zavatra andrasana amin’ireo fikambanana tanora mba hisian’ny fiaraha-miasa mahomby.
Nisy ihany koa ny fhainoana ny fitarainana izay nataon’ireo tanora isam-paritra mba ahafahana mamaha ny olana izay misy eny anivon’ny faritra tsirairay ary fametrahana ny rindrandamina rehetra hoentina hanatsarana ny fomba fiasa.
Ho an’ireo izay tsy tafiditra dia araho amin’ity horonantsary ity ny mombamomba ny zavatra noresahina nandritra izany fihaonana izany.
© VMJ Janv 2022

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN'NY FIFANDRIMBONAN'NY TANORA Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an'Anosibe an'Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran'entana efa simba sy lao efa an-taonany maro. Mandritra izao fandalovan'i Minsitra lefitra...