FIHAONAMBEN’NY KARATE MALAGASY

Notanterahana ny 27 may tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny lanonana fanokafana ny fihaonamben’ny Karate Malagasy izay mifanindran-dalana amin’ny fiadiana ny « Coupe du Président » izay haharitra roa andron’ny 27 hatramin’ny 28 may 2023.

Nandritra izany no nakarina eo amin’ny grady tempana mainty 6ème Dan ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA amin’ny maha mpikatroka ny taranja Karaté ny tenany ary notolorana ny mari-boninahitra « Commandeur de l’Ordre National » ihany koa i Grand Maitre Hanshi Réné RAMANITRANDRASANA, 10 ème Dan, izay Malagasy manana ny laharana ambony indrindra amin’ny karaté.

Fifehezantena sy lalana makany amin’ny fahombiazana ary voafatotry ny fitsipi-pitondrantena ny Karaté.

Loharano sy aingam-panahy ary fomba iray ahazoana heripo anaty faharetana mba hahombiazana amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana ity taranja ty hoy ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nandritra ny lahateniny.

Tonga nanome voninahitra izany ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, ny Filohan’ny Antenimeran-doholona, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, notronin’ireo mpikambana vitsivitsy ao anatin’ny Governemanta ary ireo olo-manankaja maro samihafa.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...