Fifanitsanana CAN;niainga ny delegasiona voalohan’ny BAREA nihazo an’i ABIDJAN amin’ny fihaonana amin’ny Elefanta

Niainga anio tolakandro ny delegasionina malagasy voalohany hihazo an’i Abidjan.

Ny mpilalao rehetra hafa dia hanainga rahapitso any amin’ny toerana misy azy ireo tsirairay avy.

Tsy maintsy ao anaty fanajana tanteraka ny fepetra ara-pahasalamana no anatanterahana ny fandehanana ka anisan’izany ny fanaovana test PCR ny Covid19 ao anatin’ny 72 ora alohan’ny fiaingana sy fanavaozana izany rehefa tonga any an-toerana, ary ny fananana ny taratasy fahazoandalana rehetra.

Izao fampivondronana izao no tanteraka dia noho ny fametrahan’ny Fitondram-panjakana ny tontolon’ny fanatanjahan-tena ho anisany laharam-pahamehana izay isaorana ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena, Atoa TINOKA Roberto, miaramisalahy amin’ny fampandrosoana ny fanatanjahan-tena malagasy izany.