Fifaninanana tetikasa PPEJ (Programme de Promotion de l’Entrepreneuriat des Jeunes) karakarain’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena miaraka amin’ny CONFEJES.
| Fiche de candidature | Plan d’affaires PPEJ 2026 | Guide de remplissage étude financière 2026 |
|---|---|---|
[Télécharger] |
[Télécharger] |
[Télécharger] |
✅ Ireo iantefany : tanora lahy sy vavy, 18 hatramin’ny 35 taona (35 taona amin’ny 31 desambra 2026 farafahatarany) manana tetikasa manavao (innovant) amin’ny anaran’ny tenany manokana na amin’ny anaran’ny fikambanana, ka efa nahazo fiofanana mikasika ny fandraharahana.
✅ Sehatr’asa : fambolena sy fiompiana, fambolena sy fanodinana sakafo, hay tao ara-kajy mirindra, sehatry ny lamba, fitantanana ny tontolo ianana. Omena laharam-pahamehana ny tetikasa atolotry ny vehivavy.
✅ Famatsiam-bola azo angatahana : hatramin’ny 23 000 000 Ariary
✅ Fifantenana ny tetikasa : ireo tetikasa 10 mendrika* indrindra voafantina eto antoerana dia handalo fifantenana farany eo anivon’ny CONFEJES.
✅ Fanolorana ny tetikasa : ny tetikasa dia arafitra anaty drafitrasam-pihariana (plan d’affaires) izay mifanaraka amin’ny lasitra PPEJ ka atao amin’ny fiteny frantsay ary mampiasa ny mari-bola Ariary. Misy koa ireo antontan-taratasy ampiarahana aminy (jereo ny lisitra ao amin’ny pejy faran’ny drafitrasam-pihariana lasitra).
📌📌 Fametrahana ny antontan-taratasy : alefa mailaka amin’ny ppejmadagascar@gmail.com rehefa nahazo fankatoavana (visa) teo anivon’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena (DRJS), na ny Delegasiona misahana ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena (DélJS) na ny Maison des Jeunes any amin’ny toerana na faritra hanatanterahana ny tetikasa.
⁉️ Rohy hangalana ny drafitrasam-pihariana lasitra PPEJ :
⏳ Daty fandefasana ny antontan-taratasy : 19 aprily 2026 farafahatarany.
📞 Filan-kevitra : manantona ny DRJS, na DelJS, na ny Maison des Jeunes any amin’ny faritra na miantso ny laharana 034 01 479 01- 034 93 108 69




