Notanterahina ny zoma lasa teo ny kaonferansa arahina adi-hevitra mahakasika ny fandraharana sy ny fiarovana ny asan’ny tanora, hetsika izay tafiditra tao anatin’ny herinandro maneran-tany ho amin’ny fandraharana na ny « Global Entrepreneurship Week GEW ». Mahatratra 60% ny asa fandraharahan’ny tanora nikatona noho ny aretina Covid-19, nisy koa anefa ny vaovao niforona ihany koa . Miova arak’izany ny fomba fiasa izay ilaina paikady vaovao sy tohana mifanaraka amin’izany.
Ho fanampiana ny tanora hiarina manoloana ny Covid 19 no antony nikarakarakaran’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny PNUD ity hetsika ity izay nampivondronana ireto mpandraharaha, mpitaiza tanora, manam-pahaizana manokana ireto araka ny fomba fijery #YouthConnekt,nahitana ny avy tao amin’ny:- Fonds Malgache de Formation Professionnelle – Nexta,- EDBM- le Ceentre- GEN- jeune entrepreneur.Hetsika izay notarihin’ny tale jeneralin’ny tanora