FIFAMINDRAM-PAHEFANA

Notontosaina ny 21 Martsa 2022, teto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ambohijatovo ny fanaovan-tsonian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitra vaovao TINOKA Roberto sy ny Minisitra teo aloha MAMOD’ALI Hawel ary ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora RATOVOSON Juliana.

Nisaotra ireo mpiara miasa taminy Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel nandritra izay 07 Volana nitantanany ity Minisitera ity, sehatra izay tsy vaovao taminy, ka nitso-drano ny mpandimby azy ny tenany amin’ny fanohizana ny andraikitra goavana izay ho sahanin’ity farany.

Torak’izay ihany koa ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora.

Etsy andanin’izay dia fahavononana hanohy ny asa ary hamita haingana ireo fotodrafitrasa ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023 no nanombohan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto ny fandraisam-pitenenany. Raha tsahivina dia efa nitantana an’ity Minisitera ity ny tenany teo aloha ary izao mbola niverina nametrahana ny andraikitra izao indray ka dia nisaotra an’Andriamatoa Filoha Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra NTSAY Christian ny tenany tamin’izany.

Anisan’ny fanamby napetrany ny hitondra ny fampandrosoana efa natomboka teto anivon’ny Minisitera mba hahazoana vokatra tsara amin’ny fanatanjahantena Malagasy sy ny tanora ka hanatratrarana ny Vina napetraky ny fitondram-panjakana.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...