FESTIVAL DES RUGBYS 2023

Tontosa ny 11 jona 2023, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny Festival des Rugbys 2023 izay hetsika eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena hiarahana amin’ny Masoivohon’i Frantsa monina sy miasa eto Madagasikara, ny Rugby Malagasy, ny Terres en Mêlées ary ny Comité de Rugby de La Réunion.

Fankalazana ny fiadiana ny amboara eran-tany izay hatao any Frantsa amin’ity taona ity ary ho entina hampiroboroboana ity taranja ity eto Madagasikara no tanjona tamin’izany.

Nandritra izany dia lalao maro samihafa izay nahitana sokajy Minimes, Benjamins, Juniors, ary sokajy Seniors no nandraisan’ireo klioba maro avy eto an-drenivohitra sy avy any amin’ny faritra ary ny avy ao amin’ny nosy la Réunion anjara tamin’ity hetsika ity.

Nisy ihany koa ny lalao izay nifanandrinan’ny ekipam-pirenena malagasy, Makis de Magasikara, sy ny ekipa voafantina avy ao amin’ny Nosy La Réunion ary nivoaka mpandresy tamin’izany ny Makis Madagasikara tamin’isa 55 noho 20, izay nentina namarana ny fotoana.

Notoloran’ny Comité de rugby de la Réunion fitaovana toy ny baolina ireo tanora mpilalao eo anivon’ny Terres en Mélées avy any Toliara izay tonga nandray anjara.

Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, notronin’ny Filohan’ny Antenimerandoholona, ny Ambasadaoron’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara ary ireo olona manan-kaja maro samihafa.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...