FÉDÉRATION MALAGASY HANDBALL: FIFIDIANANA FILOHA

Notontosaina androany 5 desambra tao amin’ny Restaurant Le Pavé Antaninarenina ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiaona Malagasy ny Handball.

Fifidianana izay natrehan’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay notarihin-dRamatoa Tale Jeneralin’ny fanatanjahantena, Rosa RAKOTOZAFY, ny Tale misahana ny fanohanana ny fanatanjahantena avo lenta (DASHN), Atoa Aina ANDRITERAKANDRIANA sy ny mpiara-miasa aminy ary ny solon-tena eo anivon’ny Komity Olaimpika Malagasy.

Nisy 2 ny kandida nifaninana ka  voafidy hitantana ny Fédération Malagasy ny Handball mandritra ny 4 taona, Ramatoa RAHERIARIJAONA Regina Clarisse izay efa tompon’andraikitra voalohany ny handball vehivavy teo anivon’ny federasionina.

Marihina fa 16 ny isan’ny Ligy nifidy ka Ligy 11 no nametraka ny fitokisana taminy.

Nizotra tamim-pilaminana sy tamim-pirahalahiana tanteraka ny fifidianana no sady voahaja avokoa ny lalàna mifehy ny fifidianana rehetra.

COM/MJS, Desambra 2021