FARITRA DIANA : FAMETRAHANA NY JUNIOR REPORTERS CLUBS (JRC)

Tanterahana ao Antsiranana, renivohitry ny Faritra Diana ny 6 hatramin’ny 11 septambra 2021 ny fametrahana sy fampiofanana ireo JRC miisa 30 mianadahy sy ireo coaches. Ny JRC dia zatovo sy tanora 12 hatramin’ny 18 taona mamokatra fandaharana miompana amin’ny zava-misy iainany.

Ho an’ny Faritra Avaratra dia mifantoka kokoa amin’ny fandriampahalemana ny fandaharana izay iaraha-miasa amin’ny Onjampeo RNM sy Radio Faniry Antsiranana.

Nisy ny fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo Delegasiona avy ato amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tany amin’ny Biraon’ny Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Governoran’ny Faritra Diana, ny Préfet ary ny Talen’ny Radio Faniry anio. Marihana moa fa Andriamatoa RAKOTONIRINA Gervais, Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana no mitarika izany delegasiona izany.

Isaorana ny UNICEF Madagasikara, ny Peace Building Funds sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fahatontosan’izao fandaharanasa izao ho fanamafisana ny fandraisana anjaran’ny zatovo sy ny tanora malagasy.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...