FARITRA ATSIMO ANDREFANA: FANAMPIANA AVY AMIN’NY MINISITRA « COACH »

Tonga nisaotra ny mpiasan’ny fahasalamana izay mandray an- tanana ny mararin’ny valan’aretina  covid-19 ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena no sady Minisitra « coach »ny faritra Toliara Andriamatoa TINOKA Roberto Androany 30 May 2021 tao amin’ny lapan’ny Faritra Atsimo Andrefana.

Nambarany tamin’ny lahateniny fa  » fitiavana no asehonareo amin’ny vahoaka mpiray tanindrazana,  tsy irery ianareo fa mijery anareo ny fitondram- panjakana ».

Nanolotra vatsy ho azy ireo ny Minisitra toy ny  vary, savony,  menaka ary Oxygène.

Nilaza  ihany koa izy fa ampy tsara ny fanafody ao an-toerana ka  manentana ny vahoaka izy ny mba  hanantonana hopitaly farany izay haingana avy hatrany  raha misy tsy metimety.

REGION ATSIMO ANDREFANA : AIDES VENANT DU MINISTRE COACH .

Le Ministre de la Jeunesse et des Sports TINOKA Roberto à la fois Ministre Coach de la Région a tenu à remercier les employés de la Santé Publique pour leurs dévotions à prendre soin des patients atteints de la Covid-19 dans la région Atsimo Andrefana.

Durant son allocation, le Ministre a souligné que » les employés de la Santé ont démontré leur amour envers leurs compatriotes, qu’ils ne sont pas seuls et que Gouvernement les soutient « .

Le Ministre leur a doté de quelques provisions comme le riz , le savon,  l’huile ainsi que l’oxygène. Le Ministre a précisé que les médicaments sont amplement suffisants pour tous les malades, et a incité la population à rejoindre plus vite que possible les hôpitaux en cas de doutes et de malaise .