Taorinan’ny fiofanana izay nomena nandritran’ny 4 andro misesy, dia miisa 30 mianadahy ireo tanora handrafitra ny Junior Reporters clubs ato amin’ny Faritra Analamanga.Ny tanjona dia ny hampiroboroboana ny fahafaha-miteny sy fandraisana anjaran’ny zatovo sy ny tanora eo amin’ny manodidina azy sy manerana ny Nosy.Tsara ho fantatra fa fandaharanasan’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena sy ny UNICEF ny Junior Reporters clubs.Misy araka izany ny fiaraha-miasa amin’ireo haino aman-jery tahaka ny efa fanao.
Ity andiany ity dia hiavaka satria iarahana miasa amin’ny Studio Sifaka mba ahafahana mampanjaka ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny feon’ny tanora. Aorian’ny fiofanana dia hamokatra fandaharana ireo Junior Reporters Clubs ireo mba hisian’ny fiovam-pihetska miabo sy ny fiovana eny anivon’ny fiarahamonina.