FANOMANANA NY JEUX DE LA FRANCOPHONIE ANDIANY FAHA 9

Ho fanomanana ny fiatrehana ny lalao iraisan’ny firenena miteny frantsay na ny  » Jeux de la Francophonie  » andiany faha 9 izay ho tanterahina any Congo Kinshasa ny 29 jolay hatramin’ny 6 Aogositra 2023 hoavy izao dia nanatanteraka fivoriana izay niarahana tamin’ireo Filohan’ny Federasiona sy ny Tale Teknika isaky ny taranja voakasik’izany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisitera izay notarihan’ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahatena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY.

Miditra tanteraka ao anatin’ny fikarakarana ny fisoratana anarana ho an’ny delegasiona Malagasy isika ho an’ny Fanatanjahantena raha toa ka efa vita manontolo ny an’ny Kolontsaina.

Izany dia tafiditra tao anatin’ny votoatin’ny fivoriana faharoa nampitain-davitra izay notanterahina ny faha 27 febroary 2023 teo niaraka tamin’ny Komity Iraisam-pirenena ny Lalao Frankofonia na Comité International des Jeux de la Francophonie.

Taranja miisa valo no hifaninanana mandritra io Lalao Lehibe io izay andraisan’i Madagasikara anjara daolo hatreto dia ny Athlétisme, Football, Basket-ball, Handisport Athlétisme, Judo, Lutte libre, Lutte Africain ary Tennis de table.

Ny taranja sasany kosa mba hahamaritoerana ny fandraisantsika anjara, dia mila mahatratra « Minima » na fe-potoana takiana mba hahafahana mandray anjara. Efa nahavita izany dingana izany ny taranja Football sy ny Basketball.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...