Fanomanana ny fifanitsanana amin’ny CAN

Mirindra tsara ny fandaharam-potoan’ny Barea amin’izao ankatokin’ny fanomanana ny tohin’ny fifanitsanana amin’ny CAN 2021 izao.
Ny fizahana ara-pahasalamana an’ireo mpilalao sy ny fanomanana ara-môraly ary fanomezana toro-marika azy ireo no nanombohana ny fampivondronana any Luxembourg. Ankoatr’ireo fanazarantena fanao mahazatra dia hiatrika lalao fampivondronana voalohany ny Barea anio 09/10/20 amin’ny 20h30 ka ny FC Swift Hesperange avy ao Luxembourg no hifanandrina aminy. Ity no lalao hahitana ny fahaiza-miaraka an’ireo mpilalao tranainy sy ny vaovao izay mandrafitra ny ekipam-pirenentsika ary hamantarana ny herijikan’ny mpilalao tsirairay avy.

Ny 12/10/20 kosa dia hanao lalao ara-piralahiana Madagasikara sy Burkina Faso, izay hotontosaina any Casablanca, Maroc.

Tsara ho fantatra fa mitana ny laharana voalohany vonjimaika ny BAREA ao amin’ny vondrona misy azy, manana isa 6 taorinan’ny nandreseny ny Éthiopie ( 1 – 0 ) sy Niger ( 2 – 6 ) .

Ny «Elephant de Cote d’Ivoire» no hifandona amin’ny « Barea » amin’ny fiandohan’ny volana Novambra hoavy izao.

Ny fitondram-panjakana dia eo anilan’ny mpanao fanatanjahantena mandrakariva, manohana amin’ny lafiny rehetra satria ny fandaniana momba ireo lalao ireo dia ny fitondram-panjakana izay tarihin’Atoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA no miantoka azy.
Ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitantanan’Atoa Ministra TINOKA Roberto no manaramaso ny fanatanterahana azy, anisan’izany ny fanamboarana ny pasipaoron’ireo mpilalao, ny visa, ary ireo taratasy maro samihafa.
ALEFA BAREA

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...