Fanomanana ny fifanitsanana amin’ny CAN

Mirindra tsara ny fandaharam-potoan’ny Barea amin’izao ankatokin’ny fanomanana ny tohin’ny fifanitsanana amin’ny CAN 2021 izao.
Ny fizahana ara-pahasalamana an’ireo mpilalao sy ny fanomanana ara-môraly ary fanomezana toro-marika azy ireo no nanombohana ny fampivondronana any Luxembourg. Ankoatr’ireo fanazarantena fanao mahazatra dia hiatrika lalao fampivondronana voalohany ny Barea anio 09/10/20 amin’ny 20h30 ka ny FC Swift Hesperange avy ao Luxembourg no hifanandrina aminy. Ity no lalao hahitana ny fahaiza-miaraka an’ireo mpilalao tranainy sy ny vaovao izay mandrafitra ny ekipam-pirenentsika ary hamantarana ny herijikan’ny mpilalao tsirairay avy.

Ny 12/10/20 kosa dia hanao lalao ara-piralahiana Madagasikara sy Burkina Faso, izay hotontosaina any Casablanca, Maroc.

Tsara ho fantatra fa mitana ny laharana voalohany vonjimaika ny BAREA ao amin’ny vondrona misy azy, manana isa 6 taorinan’ny nandreseny ny Éthiopie ( 1 – 0 ) sy Niger ( 2 – 6 ) .

Ny «Elephant de Cote d’Ivoire» no hifandona amin’ny « Barea » amin’ny fiandohan’ny volana Novambra hoavy izao.

Ny fitondram-panjakana dia eo anilan’ny mpanao fanatanjahantena mandrakariva, manohana amin’ny lafiny rehetra satria ny fandaniana momba ireo lalao ireo dia ny fitondram-panjakana izay tarihin’Atoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA no miantoka azy.
Ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitantanan’Atoa Ministra TINOKA Roberto no manaramaso ny fanatanterahana azy, anisan’izany ny fanamboarana ny pasipaoron’ireo mpilalao, ny visa, ary ireo taratasy maro samihafa.
ALEFA BAREA