FANOMANANA NY FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY NY FANATANJAHANTENA HO AN’NY FAMPANDROSOANA SY NY FILAMINANA.

Notanterahina ny 20 aprily 2023, tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fivoriana momba ny fandaminana rehetra mahakasika ny fankalazana ny andro manerantany ny fanatanjahantena ho amin’ny fampandrosoana sy ny filaminana.

Hetsika izay natao indrindra hampiasaina ny fanatanjahan-tena hitandroana ny fahasalamana satria tsapa fa nihamaro ny aretina sy olona marefo vokatry ny COVID-19.

Nanatrika izany avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay miara misalahy amin’ny fanatontosana ity hetsika ity, izay nahitana ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamana, ny Kaominina Antananarivo renivohitra, ny Polisim-pirenena, ny Cisco Antananarivo renivohitra ary ny solontena avy amin’ny fikambanana Tanora sy ireo mpiara miasa eto amin’ny Minisitera, ny ASIEF ary ireo mpanentana rehetra

Ny alahady 23 aprily 2023, amin’ny 8 ora maraina ny fotoana ho an’ny rehetra eo anoloan’ny Lapan’ny tanana Analakely.

Tsy misy vidim-pidirana

Tsy misy fisoratana anarana

Hisy toerana hanaovana vaksiny maimaimpoana

Manentana antsika rehetra ho tonga maro hiaraka hiala voly amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena mba hitandroana ny fahasalamana.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...