Fanomanana ny fandraisana ny lalao baolina an-kitra : Madagascar Côte d’Ivoire

Zava-dehibe amin’ny Fitondram-panjakana ny fandraisana lalao iraisam-pirenena.

Anisany napetrak’Atoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena Tinoka Roberto ho atao lohalaharana ny fametrahana kalitao tsara ny fandraisana izany lalao iraisam-pirenena izany.

Najoro araka izany ny Komity iombonana na Comité mixte izay ivondronan’ny MJS sy FMF ary ireo tompon’andraikitra rehetra ao Toamasina, hikarakarana ny fandraisan’i Madagasikara ny lalao baolina kitra izay hifandonan’i Madagasikara sy Côte d’Ivoire, hotanterahina ny faha-17 ny volana Novambra izao any Toamasina raha tsy misy ny fiovana. Nanatanteraka fidinana tany an-toerana nanomboka ny Alakamisy teo ireo solontena avy eto amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena sy ny FMF izay hanomana sy hanara-maso ny fizotran’ny fikarakarana ny fandraisana izany lalao izany.

Nisy ny fihaonana mivantana tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana eo an- toerana izay niarahana tamin’ny Ben’ny Tanana, ny Prefet ary ny Governoram-paritra, nifampiresahana momba ny zava-misy any toerana sy ny fomba rehetra hahatomombana ny fikarakarana ny fandraisana izany lalao izany.

Tonga dia asa avy hatrany no natao taorian’ny fihaonana ka ny fitsidihana ireo toerana isankarazany voakasika amin’izany lalao izany izay ny stade Barikadimy no voalohany tamin’izany, mba ho tomombana daolo ny pitsopitsony rehetra ao anatin’ny stade. Nojerena manaraka izay koa ny « mesure sanitaire » rehetra tsy maintsy horaisina satria isika mbola miaina anaty vanim-potoana misy Coronavirus ary handray vahiny. Ary ny lafiny  » sécurité  » izay anisany tena zava-dehibe mba hizotra tanteraka anaty filaminana ny fandraisana izany lalao izany.

Ho fampandraisana anjara ireo olona eo an-toerana dia notanterahana tao amin’ny Lapan’ny Kaominin’i Toamasina I ny fiantsoana ireo rehetra vonona hanome tanana sy haka andraikitra ao anatin’izany komity izany ka nampidirana azy ireo ho anaty kaomisionina mifandraika amin’ny andraikitra horaisiny.

Mahakasika ny lalao indray, noho ny toe-javatra mitranga any France izay nanakatonany ny sisintaniny amin’ny « vols hors européens », nefa 17 amin’ny mpilalao malagasy 25 no any an-toerana, ary manaraka izay ny toe-javatra mitranga any CIV noho ny fisian’ny fifidianana ny faha-31 octobre, izay efa isiana korontana isankarazany ka tsy mipetraka ny fandriampahalemana, dia nanoratra tany amin’ny CAF ny FMF ny mba hanemorana amin’ny fotoana mety ny lalao na hijerena vahaolana mba hampisy fitoniana ny fanatanterahana izany lalao izany.

Nisy rahateo ny fivorian’ny Comité d’urgence ny CAF ny Alakamisy teo mahakasika ny toe-draharaha ka miandry izay fanapahakevitra mivoaka amin’izany isika.

Tsy misy fiantraikany amin’ny fandaminana anefa izany fa mitohy hatrany ny fiomanana amin’ny lafiny rehetra ka vonona amin’izay fanapahakevitra mivoaka i Madagasikara.