Fanomanana amin’ny fiatrehana ny CAN

Hotanterahina anio 12/10/20 amin’ny 7 ora Hariva ny lalao fampivondronana faharoa hihaonan’i Madagasikara sy Burkina Faso.
Lalao izay hotanterahina ao amin’ny Stade Ben Ahmed El Abdi à El Jadida (Maroc).
Avo lenta kokoa ity lalao izay hotanterahina anio ity satria ekipam-pirenena samy manana ny lazany sy samy mandray anjara amin’ny fifanitsanana hahazoana tapakila hiatrehana ny CAN na ny Barea na ny Etalon.
Tsara tsiahivina fa efa nisy lalao fanazaran-tena nihaonan’ny Barea tamin’ny Swift Hesperange(Luxembourg) ny zoma lasa teo, izay nandreseny tamin’ny isa 4 noho 1.Fitsapana ny herijika sy fijerevana ny fahaiza-miaraka an’ireo mpilalao no natao nandritra an’iny lalao voalohany iny.
Hita taratra tamin’izany ny fahavononan’ireo mpilalao vaovao ary voaporofo ihany koa ny fahaizan’ireo mpilalao tranainy.
Paikady vaovao indray no ho entin’ny mpanazatra hitarafany ny Barea mandritra an’izao lalao fampivondronana faharoa izao.

Alefa Madagasikara
Alefa Barea