FANOLORANA FITAOVANA ARA – PANATANJAHANTENA AVY AMIN’NY GOVERNEMANTA SINOA.

Notanterahana ny 15 May 2023 tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanolorana ireo fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ireo atleta izay tafiditra amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023. Voakasika amin’izany ny taranja Athlétisme, Badminton, Haltérophilie ary ny Tennis de table.

Tafiditra ao anatin’ny paikady napetraky ny Fitondram-panjakana ny fanohanana ara-pitaovana ireo atleta Malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay hatao eto Madagasikara ny volana Aogositra ho avy izao. Noho ny fiaraha miasa ara-teknika eo amin’ny Governemanta Malagasy  sy ny Sinoa  no nahazoana izao fitaovana izao, ary namafisina tamin’ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta izany, izay natrehan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.

Nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny « Chargé d’affaires », Andriamatoa ZHANG Wei, izay nisolotena ny masoivohon’i Chine miasa sy monina eto Madagasikara, niaraka tamin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA ary ireo Minisitra mpiahy ny taranja voakasika izany.

Nisaotra ny Governemanta Sinoa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena nandritra ny lahateniny.

Ary nankasitraka ihany koa ny Filoham-pirenena amin’ny fandavantenany amin’ny fametrahana ny paikady rehetra hampandrosoana ny firenena ka tsy diso anjara amin’izany ny fanatanjahantena.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...