FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY « PROJET TANORA »

Natomboka androany 3 Septambra 2021 tamin’ny fomba ofisialy ny « Projet Tanora », tetikasa natao hamolavolana ny tanora ho mpitondra fiovana amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fampananan’asa ireo tanora eny amin’ny toerana marefo sy faritra iva eto Antananarivo.

Tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ny tohana ho an’ny tetikasan’ny tanora ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo fikambanana misehatra ho an’ny tanora.

Ity Tetikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny ASMAE MADAGASIKARA. Miisa 300 ireo tanora sy Ray aman-dReny hisitraka ny tetikasa eto am-panombohana.

« Pour une jeunesse actrice du changement »