FANOFANANA HAITAKY ATAON’NY TANORA; NANAO FAKAN-KEVITRA NY MINISTERA

Tontosa ny zoma 05 novambra 2021 tao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny atrikasa natao hamantarana sy hamahana ireo karazan’ olana mety hampandringa sy hampihitsoka ny ezaka efa natao eo amin’ny lafiny haitaky na « plaidoyer » ataon’ny tanora. Nambaran-dRamatoa Tale jeneraly misahana ny Tanora Noro Haingo RAKOTOSEHENO fa vaindohan-draharahan’ny Ministera ny tanora sy ny fanatanjahantena amin’ny alalan’ny Ministra lefitra misahana ny tanora ny hanangana rafitra tanora matanjaka sy matihanina eto Madagasikara mba entina manatratra ny veliranon’ny faha-8 ny Filohan’ny Repoblika dia ny « Fampizakan-tena ny tanora ». Ny fikambanana tanora araka izany no hery hampihetsika ireo tanora namany amin’ny fampandrosoana azy ireo amin’ny lafim-piainany maro. Fanombohana izao fakan-kevitra amin’ny tanora izao mba hampahomby azy ireo amin’ny sehatra samihafa sy andraikitra manandrify ny tsirairay avy. Ny departemanta misahana ny Fandrindrana ny fikambanana tanora no misahana akaiky ity atrikasa ity. Miisa 40 teo ho eo ny isan’ny fikambanana nandray anjara sy nanaraka tamin’ny tambajotra sosialy ny hetsika ary fiaraha-miasa amin’ny Unicef madagasikara.

#MJS

#jeunessemadagasikara

#DGJ

#CCMAJ

#UNICEF

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN'NY FIFANDRIMBONAN'NY TANORA Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an'Anosibe an'Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran'entana efa simba sy lao efa an-taonany maro. Mandritra izao fandalovan'i Minsitra lefitra...