
Ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tanora 2018 na JIJ dia nanomboka ny 10 aogositra 2018.Feno dia feno tokotany fandaharana tontolo andro nandritra izany ary naneho ny hafanam-pony sy ny fientanany nanomboka am-piandohan’ny fankalazana ireo tanora mpandray anjara. Hatramin’ny 9 ora maraina, ny atrikasa iray hampivoarana drafitr’asa momba ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana maharitra amin’ny alàlan’ny foibe tanora dia natao tao amin’ny Foibem-pitantanana ao amin’ny Ivon-toerana Fampiofanana momba ny fampianarana.Ireo solontenan’ny tanora amin’ny « Espaces Jeunes » avy amin’ny distrikan’i Fort Dauphin, Tsihombe sy Ambovombe ary ireo tompon’andraikitra amin’izany ivo-toerana izany avy amin’ireo distrika telo ireo dia nandray anjara tamin’ny atrikasa.
Nandritra ny atrikasa, dia afaka nifanakalo ny fomba fijeriny mikasika ny olan’ny amin’ny tsy fananana asa sy ny tsy fahampian’ny tolotra asa any amin’ireny faritra ireny ireo tanora. Ny tanjon’ity drafitr’asa ity dia ny famoronana asa maro hiatrehana ny tsy fisian’ny asa izay iainan’ny tanora any atsimo.Ny tolakandron’ny 10 Aogositra dia nisongadina ny fifanintsanana tamin’ny fifaninanana basketball lehilahy sy vehivavy. Eo amin’ny lehilahy, resin’ny ekipan’iVantiogne ny ekipan’i GNBC, etsy ankilany, ny lafiny vehivavy: ny ekipan’I Sacré Coeur dia nandresy an’iFivoy. Nisy hetsika fanatanjahan-tena hafa ihany koa natao.Nandritra ny andron’ny 10 Aogositra, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Faratiana Tsihoara Eugene niaraka tamin’ny Solombavambahoaka ao amin’ny Distrika Ambovombe dia nitsidika ny trano fivantanan’ireo mpandray anjara amin’ny JIJ ary nitsidika ihany koa ny Trano natokana ho an’ny Tanora sy asa.Nisy fivoriana fanarenana ny CIMJ Ambovombe natao tamin’ny faran’ny tolakandro. Tapaka tamin’izany ny hevitra fa handray anjara amin’ny fanaraha-maso sy ny fametrahana ny drafitr’asa ataon’ny tanora sy ireo mpitarika ny Ivotoerana ho an’ny tanora sy ny faritra manodidina ny CIMJ.