Tsy niandry ela fa taorian’ny lalao androany dia nandray ireo mpilalaon’ny Barea ny Filoham-pirenena, Atoa Andry RAJOELINA, amin’ny maha Ray aman-drenin’ny Malagasy azy sy ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Atoa TINOKA Roberto, amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany ny fanatanjahantena azy. Nisaotra ny zava-bita tamin’ny fiarovana ny Voninahi-pirenena. Efa natsidika ihany koa ny dinidinika mahakasika ireo lalao manaraka. Nampanantena ny fitondram-panjakana fa hanohy sy hanatsara hatrany ireo fanampiana ataony.
Alefa Barea