FANDRAHARAHANA ARA-TSAKAFO: ANALANJIROFO

Tontosaina manomboka androany Alatsinainy 06 Desambra 2021 ka tsy hifarana rahatsy ny Alahady 12 Desambra 2021 ny fampiofanana ireo Tanora 18 ka hatramin’ny 35 taona, miisa 30 mahakasika ny FANDRAHARAHANA ARA-TSAKAFO izay tanterahina ao antampo-tananan’i Soanierana Ivongo mandritra ny 7 andro.

Izany hetsika izany dia iarahan’ny DRJS sy ny ORN Analanjirofo manatanteraka ao anatin’ilay tetik’asa HAFA VELONTENA izay vatsian’ny UNICEF vola.

Marihina fa ireo Distrika 3 dia i Fenerive-Est, i Soanierana Ivongo ary i Vavatenina dia samy nandefa Tanora miisa 10 avy hanatanteraka ny io tetik’asa io. Ny tanjona dia ny fampandrosoana ifotony isam-paritra hatrany.

#MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #DrJs #Analanjirofo #UNICEF

 

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN'NY FIFANDRIMBONAN'NY TANORA Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an'Anosibe an'Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran'entana efa simba sy lao efa an-taonany maro. Mandritra izao fandalovan'i Minsitra lefitra...