FAMPANANAN’ ASA HO AN’NY TANORA

Kaominina 4 tato anatin’ny Distrikan’ Ambatondrazaka no notsidihin-dRamatoa Vice- Ministre misahana ny tanora omaly. Ny tao amin’ny Kaominina Ambandrika, Kaominina Ambohidava fokonkany Andranomena, Kaominina Ambatosoratra, ary Kaominina Ambohitsilaozana.

Nihaino ny olan’ny tanora sy ny hetahetan’izy ireo Ramatoa Minisitra ary tsikaritra tamin’izany fa ny tsy fananana asa no tena olana lehibe hiainan’ny tanora tao amin’ireo Kaominina notsidihiny ireo.

Hitondra vahaolana mahakasika izany indrindra no antondian-dRamatoa Minisitra ka nanentana ireo tanora ireo izy mba hanangana fikambanana ka hanolotra fampihofanana azy ireo amin’izay sehatr’asa ilainy. Nanome toky izy fa aorian’ny fiofanana dia hanolotra fitaovana ihany koa.

Raha ny tao amin’ny Kaominina Ambohitsilaozana manokana dia efa misy ny fikambanana mpiompy omby vavy be ronono ka hanolotra fampihofanana azy ireo Ramatoa Minisitra amin’ny fanodinana ny ronono ho lasa vokatra hafa toy ny fromage, yaourt, sy ny sisa.

Ny tao amin’ny Fokotany Andranomena Kaominina Ambohidava dia nangataka ireo tanora ny mba hananganana « Maison des jeunes » any an-toerana satria tsy misy fialamboly ny tanora any an-toerana. Efa misy ny trano natolotry ny kaominina anaovana izany fa mila fanamboarana kely. Nidina teny ifotony nijery izany moa Ramatoa Minisitra ary nolazainy fa azo atao tsara ny manatanteraka izany hetahetan’ny tanora any an-toerana izany.

Aorian’ny fandalovan-dRamatoa Vice- Ministre misahana ny tanora dia hidina eny amin’ireo Kaominina ireo ny ekipan’ny DRJS Alaotra Mangoro hanampy ireo tanora hanangana izany fikambanana izany

 

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN'NY FIFANDRIMBONAN'NY TANORA Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an'Anosibe an'Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran'entana efa simba sy lao efa an-taonany maro. Mandritra izao fandalovan'i Minsitra lefitra...