
Arakan’ny fanamby napetraky ny Minisitry ny tanora sy fanatanjahantena,Atoa TINOKA Roberto,amin’ny fanatanterahana ny veliranon’ny Filoham-pirenena mahakasika ny fizakan-tena sy fampananana asa ho an’ny tanora izay fanoitry ny fampandrosoana dia tanora miisa 300 no navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly Asabotsy 14 Novambra 2020 rehefa avy nahavita fiofanana nandritra ny 9 volana tato amin’ny CRJS Toamasina. Samy manana ny sampam-mpianarana nataony izy ireo,ao ny : fanjairana, ny informatique, ny mécanique automobile, ny mécanique générale. Nisolotena andriamatoa minisitra aty an-toerana ny tale jeneraly ny tanora.