FAMETRAHANA SAMBOADY HO AN ‘IREO BEN’NY TANANA VAOVAO TANY @ FARITRA ATSIMO ANDREFANA

Notanterahina anio Asabotsy 24/10/20 ny fametrahana ara-pomba ôfisialy ireo Ben’ny tanàna rehetra voafidy tato amin’ny distrikan’i Ambovombe Androy.

Tonga nampisalotra samboady azy ireo ny Minisitry ny tanora sy fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny Faritanin’i Toliara, Atoa TINOKA Roberto. Lanonam-panjakana izay notronon’ireo olom-boafidy sy ireo manam-pahefana maro isan-karazany.

Taorinan’i Ambovombe Androy dia nihazo ny Distrikan’i Tsihombe indray ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny Faritanin’i Toliara, Atoa TINOKA Roberto.

Fotoana izay nametrahana ny samboady hoan’ireo Ben’ny tanàna rehetra voafidy tato amin’ity distrika ity. Sambany teto amin’ny tantaran’ny firenena malagasy no nisy hetsika ataon’ny solotenan’ny fitondrana toy izao ka haravoana no hita taratra tamin’ireo rehetra tonga nanatrika ity lanonana ity.

Tsy hisy intsony ny faritra lavitra andriana hoy Atoa Minisitra.Toy ny nataony tamin’ireo izay efa nosalorany samboady dia mbola nohamafisiny ny fitantanana madio sy mangaraharaha ary ny fitsinjovana ny vahoaka.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...