Nametraka ara-pomba ôfisialy an’ireo Ben’ny tanàna rehetra lany voafidy tato amin’ny distrikan’i Ampanihy ny Minisitry ny tanora sy fantanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny Faritanin’i Toliara,Atoa TINOKA Roberto,ny Asabotsy 07/11/20 lasa teo.Hiara-miasa isika hoy andriamatoa Minisitra nandritra ny lahateniny, tsy misy hatao tombo sy hala fa hitovy avokoa ny fanampiana izay homena, ny tanjona dia ny fampandrosoana ny tanàna ka mila apetraka tsara ny fangaraharana eo amin’ny fitantanana.Famahana ireo olana mianjady amin’ny vahoaka no hatao laharam-pahamehana.