Fametrahana ara-pomba ôfisialy ireo Ben’ny tanàna

Nanatanteraka ny fametrahana ara-pomba ôfisialy ireo Ben’ny tanàna miisa valo (8) voafidy tato amin’ny distrikan’i Beroroha ny Minisitry ny tanora sy fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny Faritanin’i Toliara,Atoa TINOKA Roberto ny Alakamisy 15/10/20 lasa teo.
Ambetitenin’Atoa Minisitra nandritra ny fametahana ny samboadin’ireto Ben’ny tanàna ireto ny fametrahana fitantanana madio sy mangaraharaha ary ny fitsinjovana ny vahoaka.Tanjona hatrany ny fanatratrarana ireo veliranon’ny Filoham-pirenena.Tamin’ity fidinana ifotony ity ihany koa no nanambaran’Atoa Minisitra ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana mahakasika ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly tsy andoavam-bola.