Fametrahana ara-pomba ôfisialy an’ireo Ben’ny tanàna voafidy tany amin’ny Distrikan’i betroka

Tonga nametraka ara-pomba ôfisialy an’ireo Ben’ny tanàna voafidy tato amin’ny distrikan’i betroka,ny Minisitry ny tanora sy fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny Faritanin’i Toliara,Atoa TINOKA Roberto,anio 27/10/20.Nangetaheta fiovana isika hoy andriamatoa Minisitra ka tsy ho nofy intsony izany,porofo mivaingana ny fahatongavan’ny solotenan’ny fitondrana manao an’izao hetsika izao,tsy ho lazaina intsony fanamboarana ny lalam-pirenena faha 13 izay nolazain’ny Filoham-pirenena.Samy hahazo anjara fampandroasana avy ny kaominana rehetra hoy hatrany andriamatoa minisitra ary fitantanana madio sy mangaraharaha no takiana amintsika.