Fametrahana am-pomba ofisialy ireo ben’ny Tanana voafidy tao amin’ny distrikan’I Sakaraha

Feno haravoana i Sakaraha,tafahaona ny tia sy ny manina.Tonga ny Tompon-tanàna!

Nametraka ara-pomba ôfisialy ireo Ben’ny tanàna voafidy tato amin’ny Distrikan’i Sakaraha,ny Minisitry tanora sy fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny faritanin’i Toliara, Atoa TINOKA Roberto, anio 31/10/20.Nafonja ny hafatra noentin’Atoa Minisitra ny amin’ny fitsinjovana ny vahoaka sy ny fitantanana madio sy mangarahara mba hisian’ny fampandrosoana lovain-jafy.Tsara ho fantatra fa vato nosondrotry ny tany teto Sakaraha andriamatoa Minisitra ary efa Ben’ny tanàna teto ihany koa.