FAMBOLEN-KAZO ANTSAHADINTA 2022

Fikambanana maro no niara-dia tamin-dRamatoa Ministra Lefitra misahana ny Tanora androany Sabotsy 12 Febroary 2022.
Zanakazo maro no novolena nandritr’izany ; ary hita tamin’ireo tanora ny fahavitrihana satria dia tanora iray nahavita nanatsatoka zanakazo 10 avy.
Ny Teknisian’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy no nanome ny torimarika ary nosokafan-dRamatoa Julianah RATOVOSON niarahan’ny Tale Jeneralin’ny Tanora sy ny DCPD ary ireo mpiara-miasa teo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny fambolen-kazo ho an’ny Tanora.
Tsy adinon’ny Ministra Lefitra ny nanainga sy nanentana ireo tanora tsy hiraviravy tanana manoloana izao voina ara-boajanahary mianjady ny any Atsimo Atsinanana izao mba hanao izay kely vita hanampiana ireo havana traboina.
©VMJ Feb 2022

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...