FAMBOLEN-KAZO ANTSAHADINTA 2022

Fikambanana maro no niara-dia tamin-dRamatoa Ministra Lefitra misahana ny Tanora androany Sabotsy 12 Febroary 2022.
Zanakazo maro no novolena nandritr’izany ; ary hita tamin’ireo tanora ny fahavitrihana satria dia tanora iray nahavita nanatsatoka zanakazo 10 avy.
Ny Teknisian’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy no nanome ny torimarika ary nosokafan-dRamatoa Julianah RATOVOSON niarahan’ny Tale Jeneralin’ny Tanora sy ny DCPD ary ireo mpiara-miasa teo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny fambolen-kazo ho an’ny Tanora.
Tsy adinon’ny Ministra Lefitra ny nanainga sy nanentana ireo tanora tsy hiraviravy tanana manoloana izao voina ara-boajanahary mianjady ny any Atsimo Atsinanana izao mba hanao izay kely vita hanampiana ireo havana traboina.
©VMJ Feb 2022