FAHATONGAVAN’I SAMUEL ETO’O ETO MADAGASIKARA

Anio 01 septambra 2021 no  nigadona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ilay kitan’ny Baolina kitra kameroniana fanta-daza maneran-tany tao amin’ny klioba FC Barcelone sy Lions Indomptables  Samuel Eto’o izay ny Filoham-pirenena no nanasa manokana azy ho avy aty Madagasikara.

Tonga nitsena azy teny ny Sekretera Jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny solonten’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena, ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena sy ny Mpandrindra Jeneraly misahana ny Tetikasa  .

Ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY no nanolotra ny teny fiarahabana an’ Andriamatoa Samuel Eto’o noho izao fahatongavany hanotrona ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny kianja Barea izao sy hanatrika ny lalao ihaonan’i Madagasikara sy Bénin rahampitso. Naneho fisaorana ho an’ Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ihany koa ny tenany tamin’ny fanatanterahana ny velirano faha 13 izay manandratra avo dia avo ny Fanatanjahantena, anisan’izany ny fananganana fotodrafitrasa Kianja Barea izay hotokanana amin’ny 04 septambra ho avy izao. Taorian’izay dia naneho ny hafaliam-pony Andriamatoa Samuel Eto’o ary nisaotra sy nankasitraka an’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika izay nanolotra ny fanasana hanatrika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny kianja Barea sy ny lalao hiaonan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny écureuil Bénin. Ny fahatongavako eto hoy izy dia efa midika ho fahavononana ny hanohana ny Barea. Firarian-tsoa ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy no netiny namaranana ny valandresaka.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...