DIASPORA PARISY: FIHAONAN’ANDRIAMATOA MINISITRA TAMIN’IREO MPITANTANA SY MPITIA ARY MPANKAFY FANATANJAHANTENA.

Anisany namaranan’Atoa Minisitry Tanora sy Fanatanjahantena MAMOD’ALI Hawel ny diany ny fihaonana tamin’ireo mpikirakira Fanatanjahantena teto Parisy.

Nandritra izany fotoana izany no nitondran’ireo solontena vitsivitsy ny hetahetan’izy ireo amin’ny fanatsarana ny fitantanana eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, ary vonona hatrany izy ireo hifanome tanana amin’izany.

Nasongadin’Atoa Minisitra fa misy rafitra mitantana azy koa ny taranja tsirairay avy ary amin’ny alalan’ny federasiona hatrany no hanatanterahana izany fiaraha-miasa izany.

Hisy araka izany ihany koa ny fitohizan’ny fifandraisana sy ny fifanakalozan-kevitra hoentina hampivelarana ny tontolon’ny fanatanjahantena.