CRJS TOAMASINA: FITSIDIHANA KIANJA NATAON’NY MINISITRY NY TANORA SY FANATANJAHANTENA

Tonga nanao fitsidihana ny kianjan’ny Centre Régional de la Jeunesse et des Sports sy ny kianjan’ny lycée technique tao Toamasina ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto niaraka tamin’ireo delegasiona notarihiny ny Zoma 29 Janoary 2021 hariva.

Nentina nanamarihana ny fihaonana sy ho fankaherezana ireo mpilalao ao amin’ny klioba basket ball CRJS sy Kick boxing dia notolorana ranom-boankazo izy ireo.

Nandritra izany ihany koa no nampanantenain’ Andriamatoa Minisitra fa hisy ny fanatsarana sy fanamboarana ireo fitaovana ao anatin’ny kianjan’ny CRJS ho an’ireo mpanao fanatanjahantena ao Toamasina.

CRJS TOAMASINA: VISITE DES STADES PAR LE MINISTRE DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS

Plus tard dans la journée du 29 Janvier 2021, le Ministre de la Jeunesse et des Sports, Monsieur TINOKA Roberto, avec sa délégation ont visité le stade du Centre Régional de la Jeunesse et des Sports et le lycée technique de Toamasina.

Avec des mots d’encouragement, Monsieur le Ministre a offert quelques collations aux joueurs du club de basket-ball CRJS et du Kick Boxing.

À l’issue de cette visite, il a également promis aux amateurs de sport de Toamasina de rénover et d’apporter une amélioration des équipements du gymnase CRJS.