« Consolidation de la paix »na fandriampahalemana maharitra ;natomboka tao Antsirabe ny fampiofanana

Raha tiana ny hanangana sy hanana fiarahamonina na fokontany miaina anaty filaminana dia tomponandraikitra voalohany amin’izany ny mponina ao aminy. Izay no anisany filamatra voizina amin’ity tetik’asa fametrahana fandriam-pahalemana maharitra na « Consolidation de la paix/PBF » izay iarahan’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena miasa miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy toy ny UNFPA sy ny famatsia-mbolan’ny Firenena mikambana UNPBF.

Mba hahafahana manovo traikefa sy hizarana izany amin’ireo faritra iasana, dia nisy ny fiofanana izay natao teto Antsirabe ho an’ireo tompon’andraiki-mpanjakana, ireo teknisianina sy mpiantsehatra amin’ny fiaraha-monim-pirenena mahakasika ny lohahevitra rehetra tokony fehezina mahakasika ny « Consolidation de la paix » ary indrindra ny fampitana sy ny fampiharana izany amin’ny alalan’ny Dinidiniky ny mpiara-belona na « Dialogue communautaire ». Ramatoa Tale Jerenalin’ny Tanora no nitondra ny teny fanokana sy nampita ny hafatrin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatajahantena,Atoa TINOKA Roberto ny amin’ny maha zava-dehibe ny fiofanana toy izao ho fampandrosoana ny fiarahamonina sy ho fanatrarana ny tanjona napetraky ny IEM.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...