CJSOI : Fizarana mari-pahazaina ho an’ireo nihofana ho mpanazatra atleta tanora manana fahasembanana eto anivon’ny ranomasimbe Indiana.

Ho fikarakarana ny lalaon’ny Vaomieran’ny Tanora sy Fanatanjahan-tena eto amin’ny Ranomasimbe indianina na CJSOI izay hatao atsy amin’ny Nosy Maorisy ny 2022 dia nisy ny fanofanana ireo mpanazatra ireo atleta tanora manana fahasembananana tamin’ny fomba nampitain-davitra mikasika ny lohahevitra: « Mpanazatra ara-batana sy ara-tsaina ».

Naharitra 4 andro ny fiofanana izay natao ny 16 ka hatramin’ny 19 Martsa 2021.

Ity fiofanana ity dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Nosy Maorisy, ny CJSOI ary ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena avy amin’ireo firenena mpikambana CJSOI.

 62 ny mpandray anjara avy amin’ny firenena mpikambana dia Comores, Djibouti, Madagascar, Maurice, Mayotte, Réunion ary Seychelles. Ary mpanazatra 6 no Malagasy izay ahitana an’i:

-Ange Aimable RAJAONAH

– Arnaud Francky RAJONSON

– RAZAFIMAHANDRY Fanomezantsoa Olivier

– Fenihasina RAJAONARIVELO

– ANDRIANAIVO Nirina

– ANDRIAMAHAVONJY Remis Aristide.

– José Emmanuel RAJAONAH

Ny fanolorana mari-pahaizana ireo mpanazatra ireo dia notontosaina anio 23 septambra 2021, izay samy nanolotra ny  azy tamin’ny fomba nampitain-davitra ny firenena nandray anjara. Nanatrika izany, nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahatena Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY sy ireo tale isan-tsokajiny teo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary nanolotra ireo mari-pahaizana.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...