CHAN: FANDRAISANA SY FANOLORANA MARIM-PANKASITRANA NY EKIPAM-PIRENENA BAREA A’

Taorian’ny fitsenana tamin’ny fomba makotrokotroka nataon’ny vahoaka Malagasy an’ireo mahery fontsika ny alahady faha 05 febroary 2023 lasa teo, dia noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny ekipam-pirenena BAREA A’ ny 09 febroary 2023.

Nandritra izany no nanolorana azy ireo ny mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre National » ho an’ny mpilalao rehetra sy ny mpanazatra.

Nisy ihany koa ny fanolorana « Ordre de Mérite Sportif » ho an’ireo staff miisa 9 ary « Commandeur de l’ ordre de Mérite de Madagascar » ho an’ireo mpilalao miisa dimy mendrika nandritra ny CHAN 2022.

Ankoatra ny fanolorana mari-boninahitra azy ireo dia nisy ihany koa ny fanomezana  » Prime de medaille » azy ireo.

Naneho ny fankasitrahany an’ireto mpilalao ireto, izay nitondra avo ny voninahim-pirenena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto nandritra ny lahateniny. Ary nanamafy fa ny fitondram-panjakana dia vonona hatrany hanohana ireo atleta malagasy.

Marihana fa nibata ny laharana fahatelo i Madagasikara nandritra ny CHAN 2022 izay natao tany Algérie.