ATRIKASA MAHAKASIKA NY TETIKASA OBS-MADA

Atrikasa mahakasika ny Fankatoavana ny tari-dalana sy fitaovana fanofanana Tanora momba ny hay-taky sy ny hay-tarika ary Fitantanana sy Fampiroboroboana Tetikasa no notanterahina tetsy amin’ny Hotel Colbert ny 25 Novambra 2021 lasa teo. Notontosaina izany mba hanomanana ny Tanora mba hahay hifehy na hamaha sy hisoroka ireo tranga mety hiteraka disadisa eny anivon’ny fiaraha-monina. Nandritra ity atrikasa ity dia niisa teo amin’ny 40 teo ho eo ny mpandray anjara nanatrika izany atrikasa izany. Hisy ny teknisianina hanome fampiofanana ireo Tanora momba ny Fampiofanana mpampiofana isaky ny renivohi-paritany mba ahafahana manaparitaka io fahaiza-manao io manerana ny faritra 23 eto Madagasikara, ary hisy koa ny fifaninana tetikasa izay ho ataon’ny Tanora ho fampivoarana ny fiaraha-monina, ary izay mivoaka mpandresy amin’izany dia ho vatsiana tohana mifanaraka amin’ny tetikasany ihany. Ny atrikasa toy izao dia varavarana misokatra ho an’ny fifampiresahana eo amin’ny Tanora sy ireo Tompon’andraikitra isantsokajiny hahafahana mitady vahaolana voarindra hametrahana fandriampahalemana maharitra eto amin’ny Firenena.

#MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #MSISTAtao #PBF #PNUD #ONGIvorary #ONGRavintsara #AIM #AVG #Studio_sifaka

 

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN'NY FIFANDRIMBONAN'NY TANORA Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an'Anosibe an'Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran'entana efa simba sy lao efa an-taonany maro. Mandritra izao fandalovan'i Minsitra lefitra...