ATRIKASA HAMARITANA NY PAIKADY ENTI-MAMPIROBOROBO NY TANORA ETO MADAGASIKARA

Nanomboka anio 13 septembre 2021 ny atrikasa hamaritana ny paikady enti-mampiroborobo ny tanora eto Madagasikara izay niompana tamin’ny famolavolana ny tari-dalana hanatanterahana ny paikady nasionaly « FANOITRA » ho amin’ny fizakan-tena ny tanora sy ny fanatanterahana ny velirano ho fampandrosoana maharitra ho an’ny fiaraha-monina eny ifotony , izay tanterahina ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.

Nitarika ny fivoriana ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora, Ramatoa Juliana RATOVOSON, izay nitondra  famelabelaran-kevitra mikasika ireo veliranon’ny filoham-pirenena  mahakasika ny tanora.

Teo ihany koa ny fanazavana ireo vina sy atrikasa ho tanterahina miisa dimy  mikasika ny « Velirano ny Tanora pour l’ Emergence à la base »  izay  nentin’ny Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny  Fanatanjahantena.

Aharitra roa andro ity atrikasa ity ary mandray anjara amin’izany ireo fitaleavana rehetra misahana ny tanora.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...