ATRIKASA HAMARITANA NY PAIKADY ENTI-MAMPIROBOROBO NY TANORA ETO MADAGASIKARA

Nanomboka anio 13 septembre 2021 ny atrikasa hamaritana ny paikady enti-mampiroborobo ny tanora eto Madagasikara izay niompana tamin’ny famolavolana ny tari-dalana hanatanterahana ny paikady nasionaly « FANOITRA » ho amin’ny fizakan-tena ny tanora sy ny fanatanterahana ny velirano ho fampandrosoana maharitra ho an’ny fiaraha-monina eny ifotony , izay tanterahina ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.

Nitarika ny fivoriana ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora, Ramatoa Juliana RATOVOSON, izay nitondra  famelabelaran-kevitra mikasika ireo veliranon’ny filoham-pirenena  mahakasika ny tanora.

Teo ihany koa ny fanazavana ireo vina sy atrikasa ho tanterahina miisa dimy  mikasika ny « Velirano ny Tanora pour l’ Emergence à la base »  izay  nentin’ny Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny  Fanatanjahantena.

Aharitra roa andro ity atrikasa ity ary mandray anjara amin’izany ireo fitaleavana rehetra misahana ny tanora.