Atrikasa fantsakan-kevitra ho an’ny paikady ho an’ny fiaraha-miasa 2021

Notanterahina anio faha 22 Desambra tao amin’ny Lapan’ny Fanantanjahantena sy Kolotsaina Mahamasina ny atrikasa fantsakan-kevitra ho an’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Tanaora sy ny Fanantanjahantena sy ireo mpitantsorika ara-teknika sy ara-bola mpiara miasa aminy.

Novelabelarina tamin’izany ireo Veliranon’ny Tanora hiasan’ny Ministera, dia ny:

– Fahasalamana sy fiarovana ny Tanora,

– Ny Tanora sy ny tontolo iainana,

– Ny Tanora sy ny ady amin’ny kolikoly,

– Fanantanjahantena sy fialamboly ho an’ny Tanora,

– Ny Tanora sy filaminana ary ny fandriam-pahalemana

– Ny fihariana sy fampanan’asa ny Tanora

Ity atrikasa ity dia natao hahafahana mampitovy ny fomba fijery sy ny fomba fiasa, sy hahafahana mahazo fankan-toavana ny paikady nasionaly ho an’ny Veliranon’ny Tanora. Isany tanjona amin’izany Veliranon’ny Tanora izany ny fahatratrarana :

– 3.600 fokontany,

– 1.800.000 Tanora voaaro,

– 49.000 taninketsan’ny Tanora mpandraharaha

– 1.125 asa ho an’ny Tanora.

Nandray anjara tamin’izany ireo mpitantsorika ara-teknika sy ara-bola miasa ho an’ny fampandroana ny Tanora, toy ny UNICEF, UNFPA, PNUD, MARIE STOPES, ary ACCESS/USAID.

Nisy ny ady hevitra natao taorian’ny famelabelarana natao hamaliana ny fanontaniana napetraka’ireo mpitantsorika ireo. Arak’izany dia naneho ny fahavononan’izy ireo hiara hiasa sy hanohana hatrany amin’ny Ministeran’ny Tanora sy Fanantanjahantena ireo mpitantsorika ireo.

Atelier de consultation des parties prenantes pour la stratégie de collaboration 2021.

Une réunion technique a eu lieu entre le Ministère de la Jeunesse et des Sports et ses partenaires techniques et financiers au Palais des Sports Mahamasina, ce 22 décembre 2020.

Des présentations sur les Veliranon’ny Tanora se sont succédées, à savoir :

– La santé et la protection des jeunes,

– Les jeunes, l’environnement et les changements climatiques,

– Jeunesse, sports et loisirs

– Jeunesse, paix et sécurité,

– L’entrepreneuriat et l’emploi des jeunes.

Cet atelier est fait dans le but d’aligner les idées et les points de vue des partenaires, afin de valider la stratégie nationale pour le Veliranon’ny Tanora. L’un des objectifs de ce dernier est d’atteindre :

– 3.600 communautés de bases

– 1.800.000 jeunes conscientisés et protégés

– 49.000 pépinières de jeunes entrepreneurs

– 1.125 emplois de jeunes.

Ont participé à cet atelier les partenaires techniques et financiers oeuvrant dans le domaine de la Jeunesse, à savoir l’UNICEF, le FNUAP, le PNUD, MARIE STOPES et ACCESS/USAID.

Une séance de débats a eu lieu après les présentations afin de répondre aux questions des partenaires. A la fin de la séance, les partenaires ont réitéré leur volonté de collaborer et d’appuyer le Ministère dans ce projet.