ANS : FAMPIOFANANA HO AN’NY MPANAZATRA SY MPITSARA NY TARANJA ADY TOTOHONDRY.

Tontosa ny 13 ka hatramin’ny 18 Septambra 2021 teo ny fiofanana ho an’ireo teknisiana izay nokarakarain’ ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tamin’ny alalan’ny Akademia Nasionaly ny Fanatanjahantena (ANS).

Tamin’ity andiany ity dia mpanazatra 25 avy ao amin’ny Federasiona Malagasy ny Ady Totohondry no nisitraka izany.

Anio Sabotsy no natao ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo marim-pahaizana manamarika ny fahavitan’izany fiofanana izany ka tonga nanome voninahitra io fotoana io, nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena Ramatoa RAKOTOZAFY Rosa no sady Filohan’ny Filan-kevim-pitantanan’ny ANS.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony no nampatsiahiviny ny anjara toerana lehibe tanan’ny Akademia Nasionalin’ny Fanatanjahantena amin’ny lafiny fampiofanana momba ny taranja rehetra. Ho fanatanterahana hatrany ny Velirano faha-13 dia manana adidy goavana ireo mpanazatra noho izany mila manana ny traikefa rehetra mahakasika ny taranja izay iandraketany.

Raha tsiahivina , ny tontolon’ny ady totohondry dia anisany taranja nanandratra avo dia avo ny voninahim-pirenena raha tsy hilaza hafa tsy ny fandraisana anjara tamin’ireo lalao olaimpika nifandimby ary ny fananana tompondakan’i Afrika amin’izany taranja izany.

Ka ny famerenana indray ny hasin’izany taranja izany no anisany anton’ny fampiofanana izay vao dingana voalohany ary ny teto Analamanga no nisantatra izany.

Mbola ho atao manaraka ihany koa ny fampiofanana ireo avy any amin’ny faritra rehetra mba hampitoviana lenta ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara.

Ity fiofanana ity dia niompana tamin’ny « formations spécificiques » ho an’ireo mpanazatra eo anivon’ny federasiona izay nahitana ireto foto-kevitra ireto:

  • Fampiofanana ny metodolojia @ ankapobeny mahakasika ny fanazarantena
  • Fampiofanana ny amin’ny fandrafetana drafitra momba ny fanazarantena
  • Fomba fampivelarana ny fahaiza-manao ara-batana
  • Ny mahakasika ny ratra ara-panatanjahantena sy ny fomba fisorohana izany
  • Ny vonjy taitra
  • Fomba fiaina ara-pahasalamana
  • Dietetika na fomba fikarakarana ny sakafo

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...